Famintinana ny lahateny nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA ny Alahady 18 Aprily 2021 🔴Tsy mitsahatra ny mikaro-bahaolana ho an'ny Malagasy ny Filoha sy ny governemanta ary tsy mitandro hasasarana. Ilaina ny fahatongavan-tsaina sy fiarahamientantsika tsirairay avy. Miatrika ady isika ary apetraka eo ampelatanan'Andriamanitra izany. ✅Jery todika : mihanaka haingana dia haingana ny aretina Covid Variant sudafricain ary betsaka ny lavony. ✅CTC 19 vaovao nosokafana : Soamandrakizay sy Ankorondrano. ✅Hisokatra ary nisy ny efa nisokatra ny hopital hôtel covid 19 toa ny Live Hotel / Panorama / Le Pavé / Tsanga Tsanga /Anjary Hôtel -- Ny saran'ny hotely no aloan'ny marary fa ny fanafody dia iantohan'ny fanjakana. 👉Maimaim-poana ny fanafody mifandraika amin'ny aretina Covid 19 fa iantohan'ny marary kosa ny fanafody ho an'ny aretina hafa toy ny tosidrà sy Diabeta. 👉Tsy azo ekena ny fanodinkodinana fanafody sy fanaovana varomaizina, ny famarotana izany eny amin'ny tambajotra sosialy fa voararan'ny lalàna velona izany. 👉Ny fitiliana sy attestation dia tsy andoavam-bola. 👉Hisy ny famehezana ny vidim-panafody izay hita fa niakatra be ny vidiny. 👉Nosokafana ny Pejy Fitarainana ao amin'ny Facebook sy Instagram atao hoe "Doleance.Covmada" ✅Nanafatra concentrateurs d'oxygène miisa 2000 sy bouteilles d'oxygène 2000 isika ary fiaramanidina manokana no haka izany maika any ivelany. ✅ Misy ny tohana ara-tsaina ho an'ireo eny amin'ny hopitaly toa ireo psychologues. ✅ED1 : Tamin'ny herintaona no efa nanao antso avo ny Filoha momba ireo mpikaroka Malagasy. ''Tsy manakana io vokatra ED1 io ny fitondrana fa mampirisika ny hanarahana ny fenitra. Atao haingana ny essai clinique. Aorian'izany hampiny amin'ny fomba rehetra ny fanjakana hanaparitahana haingana io vokatra io. ✅Hivoaka amin'ity herinandro ity ny fehinkevitra momba ny hampiasana ny vakisiny eto Madagasikara. ✅Mitaky plan 0 coupure amin'ny Jirama amin'ireo toerana saropady toa ny hopitaly sy CTC rehetra. 👉FEPETRA 👈 🛑Mitohy ny hamehana ara-pahasalamana. 🛑Atsahatra ny fanakorontanana amin'ny endriny rehetra. 🛑Tsy misokatra ny sekoly sy anjerimanontolo. 🛑Mikatona avokoa ny faritra Analamanga, Boeny, Sava, Nosy Be. Ny faritra Sofia kosa dia mikatona manomboka amin'ny 21 aprily hoavy izao. 🛑Analamanga : Ampiharina ny confinement total isaky ny sabotsy sy alahady. Taxi ihany no afaka miasa. Service essentiel no azo sokafana. 🛑Faritra 5 ankoatra : mihatra ny couvre feu. 🛑Mikatona ny bar sy karaoke 🛑Misokatra ny restaurant fa atsasaky ny toerana fandraisana olona ihany no adraisana. 🛑Tsisy misokatra ny fiangonana, mosque fa homena fotoana eny amin'ny televisionina kosa izy ireo. 🛑 Misokatra ny tsenam-pokontany ary olona iray ihany no mivoaka miantsena . 🛑Mikatona ny zotra nasionaly na mivoaka na miditra, ny entana afaka miditra ary tsy tokony hosakanana. 🛑Fandevenana ny androniny ihany raha sanatria matin'ny covid ny olona ary misy ny fasana ata hoe Firaisampo hoan'ireo razana tsy tafody any amin'ny faritra misy azy. 🛑Tsy tokony hiasa ny olona marefo. 🛑Voarara ny famoriana olona mihoatra ny 50. 👉Entanina hanatona toerana fitsaboana ireo rehetra misy soritraretina. 👉Mitohy ny sidina anatiny fa manaraka fepetra sy mila manao fitiliana amin'ireo faritra tsy mikatona. |
|