Mitohy ny famendrahana ranompanafody

FARITRA ANALAMANGA MIADY AMIN'NY FIHANAKY NY CORONA VIRUS.
Mitohy hatrany ny famendrahana fanafody ataon'ny ekipan'ny Faritra Analamanga eny amin'ireo toerana be olona sy be mpiditra mba hamonoana ireo otrik'aretina Covid-19 mitarika ny aretina.
Teny Ambohipo tanàna indray no nanohizana izany, ny 21 aprily 2021, ka norarahana fanafody ny tsena, ny biraom-pokontany, ny fiangonana ary ireo sekoly maro teny an-toerana.
Entanina hatrany isika mba hitandrina ary tsy hivoaka raha tsy tena misy antony manokana tsy maintsy ivoahana araka ny toromariky ny Filoha farany teo.
Aza hadino ny arovava-orona hiarovanao ny tenanao sy hiarovana ny hafa.
Aza ny mpitandro filaminana sy ny sazy no atahorana fa ny fahasalamanao.
Isika rehetra MIARA-MIENTANA no handresena haingana io areti-mandoza TSY HITA MASO io.

21/04/21