Fiaraha-miasan'ny Faritra sy ny ben'ny tanàna eny ifotony

Araka ny toromariky ny Filoha Andry  RAJOELINA ny amin'ny fampandrosoana miala eny ifotony dia matotra ary mirindra tsara ny fiaraha-miasan'ny Faritra Analamanga sy ireo Ben'ny tanana ao anatin'ny "Association des Jeunes Maires Analamanga" (AJMA)
Raha ho an'ny Distrikan'i Manjakandriana  manokana dia lalana mampitohy Kaominina maro sy kianja fanaovam-baolina maro ary fanajariana ny tsena vitsivitsy no efa vita satria efa nitety kaominina maro ireo "engins" an'ny Faritra Analamanga.
Indro omena antsika ireo lalan-tany vita fanarenana tato anatin'ny volana vitsy.

 - Distrika Manjakandriana

  • Cr Ampaneva : 6 km
  • Cr Andriampamaky : 4 km
  • Cr Antsahalalina : 13 km
  • Cr Ankazondandy : 20 km
  • Cr Ambohibao dia eo andalam-panamboarana ka lalana 2 km no vita amin'izao fotoana anoratana izao.
 - Distrika Ankazobe
  • Cr Fihaonana : 13km
  • Cr Mahavelona : 13 km
  • Cu Ankazobe : 4 km
  • Cr Talata Angavo : 18 km
  • Cr Ampanotokana : 8 km
Fitambaran'ny lalana vita hatreto dia 101 km.

 

18/05/21