NAHAZO FANAMPIANA NY MPANASA LAMBA
Isan'ny asa sy adidy iandraiketan'ny Faritra Analamanga ihany koa ny asa sosialy. Noho izany indrindra dia nisy ny fanolorana kojakoja amin'ny fanasan-damba toy ny koveta sy savony ho an'ireo mpanasa lamba tao Ambohimiadana Avaratra Ambohimanarina, distrikan'Antananarivo faha-6, ny alakamisy 20 may 2021.
Maro dia maro ny olona no mivelona amin'ny asa fanasan-damba, indrindra ny renim-pianakaviana, amin'iny Ambohimanarina sy ny manodidina iny. Nisy fiantraikany lalina tamin'ny fiainana andavanandro sy ny fidiram-bolan'izy ireo ny fandalovan'ny valan'aretina covid-19. Tsapan'ny Faritra Analamanga tokoa izany ka nahatonga azy nanao izao hetsika izao. Nisolo tena ny Governora teny an-toerana ny Tale misahana ny raharaha ara-bola ao amin'ny Faritra Analamanga, RALAY Andrianantenaina Andonirina.
Nisy ihany koa ny fanolorana dabilio 200 ka ny 100 amin'ireo natolotra an' Ambohimiadana Avaratra ary ny 100 ambiny dia ifampizaran'ny EPP sy CEG hafa ao Ambohimanarina, Boriboritany fahaenina.