Araka ny fotoana nifanomezana dia ny alahady 30 May 2021 no nitafa indray tamin'ny vahoaka Malagasy tamin'ny alalan'ny Tvm sy Rnm ny Filoha Andry Rajoelina, mahakasika ny fepetra horaisina mandritra ny 15 andro manaraka, manoloana ny valanaretina covid-19.
Nifanindry indrindra tamin'ny fankalazana ny fetin'ny reny ity andro ity ka tamin'izany no niarahaban'ny Filoha sy nirariany soa ho an'ny Reny Malagasy rehetra. Nisaorany ihany koa ireo rehetra nahatsiaro sy nirary soa ho azy noho ny tsingerintaona nahaterahany. Ankoatra izay dia nankasitrahan'ny Filoha Andry Rajoelina ireo atleta Malagasy mpibata fonjamby izay mananadra avo ny anaran'i Madagasikara amin'ny lalao fifaninanana afrikana atao any Kenya amin'izao fotoana izao.
Mikasika ny fiatrehana ny covid-19 àry dia nambaran'ny Filoha fa ny fanapahankevitra rehetra noraisina dia natao hahasoa ny be sy ny maro avokoa.
- Jery Todika : Nihena antsasany isaky ny 15 andro ny olona voan'ny tsimokaretina. Nihena ihany koa ny isan'ny lavo.
- Nahomby ny ezaka natao sy ny fanapahan-kevitra noraisina.
- Mitohy ny asa fanarenana ny toekarena sy ny fandriampahalemana izay voafaritra ao anatin'ny velirano.
- Andalam-pandresena ny aretina isika fa mila mailo hatrany.Mila ny fitandremantsika tsirairay izany handresena io aretina io.
|
- Tsy mila fanakorontanana sy fiantsiana intsony ny Malagasy. Aoka tsy hararaotina ny fisian'ny valan'aretina hambolena korontana eto amin'ny firenena.
Fepetra
- Mitohy ny hamehana ara-pahasalamana mandritra ny 15 andro manaraka.
- Tsy misy intsony ny fihibohana tanteraka na "confinement total" isaky ny sabotsy sy alahady eto Analamanga.
- Voarara ny famoriana olona mihoatra ny 100.
- Misokatra manomboka ny zoma 04 jona 2021 izao ny faritra nikatona rehetra : Analamanga, Vakinankaratra, Anosy, Matsiatra Ambony.
- Mitohy ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina na "couvre feu" manomboka amin'ny 11ora alina ka hatramin'ny 4ora maraina.
- Mbola mikatona karaoke sy ny bar.
- Misokatra ny restaurant fa antsasaky ny olona azo raisina ao anatiny ihany no raisina.
- Misokatra avokoa ny Fiangonana fa dabilio 1 ho an'olona 2. Hajaina hatrany ny fepetra.
- Misokatra ny tsenam-pokontany manomboka amin'ny 6ora maraina ka hatramin'ny 6ora hariva.
- Ny CTC-Mahamasina, CTC-Andoharanofotsy, CTC-Voara sisa no misokatra. Mikatona manomboka ny alarobia 2 Jona 2021 kosa ny CTC-Soamandrakizay sy ny CTC-Ankorondrano.
- Akatona avokoa ny "Hôtels hopitaux" eto Antananarivo.
|
- Tohizana ny hetsika fanaovana vakisiny satria efa miparitaka eraky ny faritany izany. Anaovana ezaka manokana amin'ny vakisiny ireo toerana mpisehatra amin'ny fizahan-tany toy ny any Nosy-be sy Sainte-Marie. Afaka misoratra anarana ireo olona hanao vakisiny.
- Fandevenana : Tsy azo atao ny mitondra razana mivoaka na miditra ny faritra raha matin'ny covid-19. Afaka mivoaka na miditra kosa raha tsy covid-19 no nahafaty azy. Ny Fandevenana dia atao ny androtriny ihany raha covid-19.
- Fampianarana : Miverina mianantra ny alarobia 02 jona 2021 ny mpianatra amin'ny sekoly sy ny oniversité rehetra.
- Fitaterana : Misokatra ny zotra nasionaly sy rezionaly rehetra manomboka ny zoma 04 jona 2021. Hajaina ny fepetra rehetra : Manao aro vava orona mandritra ny dia rehetra. Apetraka ny manifold ho an'ny fiara rehetra. Tsy iharan'ny "couvre feu" ny fitaterana entana.
- Misokatra manomboka ny zoma 04 jona 2021 ho avy izao ny sidina anatiny, manao fitiliana avokoa ny rehetra handeha adin'ny 3 mialoha ny handraisana sidina.
- Mbola mikatona ny sidina mankany ivelany sy mankaty anatiny fa misy kosa ireo nanapahana hevitra manokana.
- Asa : Tsy miasa ny olona marefo. Antsasaky ny mpiasa ihany no miasa ho anireo toeram-piasana mampiasa olona betsaka.
|