Nahazo tombony ny Faritra Analamanga satria tato amin'ny Faritra Analamanga no notokanana voalohany ny Kianja Manarapenitra teto Madagasikara, ny alahady 06 jona 2021, dia tao amin'ny kaominina Mahitsy distrikan'Ambohidratrimo izany.
Nambaran'ny Filoha Andry RAJOELINA nandritra ny kabariny fa "Vita hatreo ny baolina ambony vovoka. Vita hatreo ihany kosa ny baolina an-tanimbary ho an'ny tanoran'i Mahitsy". Efa fampanantenana nataon'ny Filoha ho an'ny tanora tao an-toerana nandritra ny fampielezan-kevitra nataony tokoa ny fananganana ity kianja ity ka izao tanteraka izao izany.
Ny fanokanana izao kianja aty amin'ny kaominina ambanivohitra izao dia porofon'ny fampandrosoana miainga avy aty ifotony.
33 ireo kianja Manarapenitra no efa an-dalam-panamboarana ankehitriny ary 31 hafa no hatomboka amin'ity taona ity.
Nohamafisin'ny Governora nandritra ny kabariny fa raha ny ato Analamanga no tenenina dia tsy ho ampy ny fotoana raha hotokanana avokoa ireo zavabitan'ity Fitondrana ity ka nilazany fa miasa ary tena miasa ny Fitondrana tarihin'ny Filoha Andry RAJOELINA. Aoka ny bainga voavadika sy ny zava-bita no ho porofo fa tsy ny horakoraky ny efa tsy eo amin'ny Fitondrana intsony ka manenina fa tsy nahavita ny vitan'ity Fitondrana ity.
Amin'ny Alakamisy izao dia hisy indray ny fitokanana Kianja manarapenitra toy ity eto Mahitsy ity, ato amin'ny Faritra Analamanga ihany. Fantatra ihany koa fa hatsangana eto Madagasikara ny Akademia Nasionaly momba ny Fanatanjahantena Avolenta ka Andriamatoa Nicolas Dupuis no hitantana izany.
|
|