Kianja Manarapenitra AMBOHIDRATRIMO

Heni-kaja sy heni-boninahitra tokoa ny Faritra Analamanga indrindra ny Distrikan'Ambohidratrimo satria tao anatin'ny 4 andro dia indroa nolalovan'ny Filoha Andry RAJOELINA.
Notokanana ny alakamisy 10 jona 2021 teo tokoa mantsy ny Kianja manarapenitra ao Ambohidratrimo.
Nambaran'ny Filoha fa «Izay nampanantenaina dia tsy maintsy tanteraka» raha nangataka kianja manarapenitra ny vahoakan’Ambohidratrimo.
Kianja azo andraisana lalao iraisam-pirenena ity kianja ity ary efa nahazoana ny fankatoavan’ny FIFA sy ny CAF.  Izao fotodrafitrasa izao dia porofo mivaingana amin'ny fanatanterahana ny Velirano faha-13 dia ny fanandratana avo ny hambompom-pirenena amin'ny alalan'ny fanatanjahantena.
Nandritra io fotoana io no nanolorana ireo ekipan'ny BAREA ary marihana fa eo amin'io Kianja vaovao io izy ireo no hanao ny fanazaran-tena mandritra izao fampivondronana izao.
Tamin'ny fandraisam-pitenenan'ny Filoha Andry RAJOELINA dia mbola namaly ny hetahetan’ny vahoakan’Ambohidratrimo ny tenany ka hisy fanomezana ny kaominin'Ambohidratrimo «camions bennes» sy «bacs à ordures», ny fananganana CSB2 manarapenitra ahitana «Radiologie numérique», ny fanamboarana efitrano fianarana sy sekoly ary tsena manarapenitra ho an’ny vahoakan’Ambohidratrimo.

10/06/21