Kaominina Ivato, distrikan'Ambohidratrimo

ASA AVY HATRANY
Araka ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA omaly nandritra ny fanolorana ny kamiao mpitaona fako teo Ivato dia havaozina ny Biraon'ny kaominona, ny EPP ary ny CEG ao Ivato izay efa tranainy sy simba tsy nisy nikarakara nandritra ny taona maro.
Noho izany dia nisy avy hatrany omaly antoandro ihany ny fiarahana misakafo sady dinik'asa nifanaovan'ny Governoran'Analamanga tamin'ny Ben'ny tanànan'ny Kaominina Ivato nandinihana ny fomba hananterahana ireo toromarika marobe nomen'ny Filoha ireo.
Rehefa vita izany dia nidina teny an-kianja avy hatrany nijery ny biraon'ny Kaominina, EPP ary CEG izay hasiam-panavaozana sy fanamboarana niaraka tamin'ny teknisianin'ny roa tonta.
Nisy ihany koa ny fijerena avy hatrany ireo tany hasiana ny Kianja manara-penitra sy Kianja mitafo eny Ivato araka ny fangatahan'ny mponina ka neken'ny Filoha.
Nohamafisin'ny Governora hatrany ny tenin'ny Filoha Andry RAJOELINA fa tsy hijerena loko politika ny fampandroasoana Firenena sady ny fampandrosoana dia avy eny ifotony no miainga sady Ivato rahateo dia vavahadin'i Madagasikara.

10/06/21