Ireo fepetra raisina mandritra ny 15 andro manaraka araka ny fandaharana niarahana tamin'ny Praiminisitra Ntsay Christian :
✅Fivoaran'ny tranga Covid 19
-Nihena ny tranga covid 19 teto amintsika
Mbola misy ny tranga vaovao ka mila mailo hatrany isika.
✅VAKISINY:
-197.000 ny isan'ny olona vita vakisiny tamin'ny doses voalohany, ny doses faharoa dia ho tonga amin'ny voalohandohan'ny volana Aogosotra, Astrazenika, Johnson&johnson Tonga @ alakamisy izao.
✅VARIANT DELTA
Mbola tsy ao anatin'ny firenena ahitana ny Variant delta isika aloha izao.
FEPETRA
🔴Mitohy ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny Nosy.
-Mbola misokatra hatrany ny CTC-19 Village Voara Andohatapenaka.
-Voarara ny famoriana olona mihoatra ny 400 amin'ireto distrika manaraka ireto : Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano, Ambohidratrimo, Antsirabe I ary Fianarantsoa I.
-Ny fitondrana razana voamarina fa matin'ny Covid-19 dia mbola tsy azo atao na ny miditra na ny mivoaka ny faritra rehetra manerana ny Nosy.
Tanterahina ny andro nahafatesan'ilay olona voan'ny Covid-19 ihany ny fandevenana azy ary tsy mihoatra ny olona 10 no mandevina.
-Mbola tsy azo atao ny famadihan-drazana.
-Couvre feu : Manomboka amin'ny 12 ora alina hatramin'ny 4 ora maraina ho an'Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano, Ambohidratrimo, Antsirabe I ary Fianarantsoa I.
-Mbola mikatona ny toeram-pandihizana (boîte de nuit) amin'ireto toerana ireto : Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano sy Avaradrano, Ambohidratrimo, Antsirabe I ary Fianarantsoa I.
-Azo atao ny mikarakara lanonana an-kalamanjana manerana ny Nosy amin'ireo distrika hafa tsy voatonona teo aloha mba hitsinjovana ireo mpanakanto.
Tsy maintsy manaraka ireo fepetra ara-pahasalamana anefa ny fanatanterahana izany.
-Mbola tsy misokatra ny sidina avy any ivelany afa-tsy ireo sokajin'olona izay efa voafaritry ny Filankevitry ny Minisitra.
-Mitohy hatrany ny fisokafan'ny sidina anatiny iantsorohan'ny Tsaradia, tsy maintsy manao test anti-génique eny Ivato ora 3 alohan'ny fiaingana ny mpandeha rehetra na amin'ny fahatongavana eny Ivato ho an'ny sidina avy any amin'ny faritra.
🔴Ireo Governora isaky ny faritra no mandrindra ny fandraisana ireo fepetra hafa mifanaraka amin'ny toe-java-misy any an-toerana kanefa tsy maintsy hifandinihana amin'ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ny fampiharana izany.