Faritra Analamanga sy ny Minisiteran'ny Fampianarana Teknika

FIFANAOVAN-TSONIA FIARAHA-MIASA.
Notanterahina androany Talata 27 Jolay 2021 tetsy Ambohidahy ny fifanaovan-tsonia teo amin'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa izay nosoloin'ny Minisitra Ernest TSIKEL'IANKINA tena sy ny Faritra Analamanga izay nosoloin'ny Governora Hery Rasoamaromaka tena.
Vontoatin'ny fifanaraham-piaraha-miasa ny fanofanana ireo tanora any amin'ny kaominina 50 ato amin'ny Faritra Analamanga amin'ny :
    -Fitrandrahana vato any anaty tany
    -Fanetehana ny vato ho lasa pavé
    -Fandaharana ny vato ho lasa lalana pavé
Aorian'ny fanofanana dia afaka hiasa avy hatrany any amin'ireo orinasa mpanao ny lalana pavé ataon'ny Faritra Analamanga ireo tanora ireo mba ho main d'oeuvre ka hampidi-bola ho an'ireo mponina any an- toerana.

 

 

 

 

27/07/21