FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA HATRANY
Mitohy andro aman'alina ny asa fanamboaran-dalana sahanin'ny Faritra Analamanga amin'ny fanampenana ireo lavaka eto Antananarivo.
Ampatsiahivina hatrany fa misy ny fifampizarana andraikitra eo amin'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy sy ny Kaominina ary ny Faritra Analamanga amin'ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo Renivohitra.
Ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialantsiny ho antsika mpampiasa lalana noho ny fanelingelenana.