Lalana Ankorondrano, 21 juillet 2023

MITOHY HATRANY NY ASA
Mbola ao anatin'ny fotoam-piasana tsara ny Fitondrana izay tarihin'ny Filoha Andry RAJOELINA ankehitriny ary dia toy izany ihany koa ny Faritra Analamanga izay tarihiko, hoy ny Governora Hery Rasoamaromaka. Mitohy araka izany ny asa sahaninay, hoy hatrany izy, satria araka ny fitenenanana hoe : "Asa aloha fa tsy kabary".
Araka ny fizaran'asa amin'ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo dia nitohy tetsy Ankorondrano Axe La City sy Pharmacie Ankorondrano no namboarina tato anatin'ny andro vitsy.
Lalana izay isan'ny be mpampiasa ka miteraka fitohanana lavareny noho ny fahasimbany.
Ny Faritra Analamanga dia mahohy hatrany ny asa izay hiandraiketany ary miala tsiny noho ny fanelingelenana amin'ny fanatanterahana izany asa izany.