Toy izao ny asa fanamboarana lalana Andramasina-Sabotsy Ambohitromby ny 13 septambra 2023.
Mbola any an-toerana avokoa ireo "engins" nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA manatanteraka ny asa.
Toy izao ny fizotry ny asa fanamboarana ny lalana Andramasina - Sabotsy Ambohitromby ny 21 aogositra 2023.
Mbola any an-toerana avokoa ireo "engins" nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA manatanteraka ny asa.
Ny faritra Analamanga dia maneho hatrany ny fialan-tsiny aminareo mpampiasa lalana noho ny fanelingelenana mandritra ny asa fanamboarana iny lalana iny.
Lalana izay hezahin'ny Faritra Analamanga ny hanamboatra azy ho manara-penitra sy tsy ho mora simba, ka nisy araka izany ny fanajariana ny lalan'ny rano amin'ny sisiny izay tena antoky ny fahatezan'ny lalana.
Maneho hatrany ny fialana tsiny noho ny fanelingelenana mandritra ny asa fanamboaran-dalana ny Faritra Analamanga.
Tery dia tery ny làlana ambany tetezana Ambatofotsy hamonjy ny lalana Rip 10 Andramasina ka nanome toromarika ho an'ny Governoram-paritra Analamanga ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny hanaovana fidirana vaovao amin'ny làlana makany Andramasina.
Isan'ny antony lehibe nanaovana ity lalana vaovao ity ny mba tsy hikitihana ny tranon'olona izay efa niorina hatrizay raha halebiazina ny lalana. Hafaliana ny an'ny vahoaka satria sady ho vita ny lalana no tsy ho voakitika ny tranon'izy ireo.
Teny an-toerana ny Solombavambahoaka voafidy tao Atsimondrano, Andry RATSIVAHINY, ny Lehiben'ny Distrikan'Atsimondrano, BELAMY Rafidison Mamitiana Claude, ny Ben'ny tanànan'ny Kaominina Ambalavao, Njatonirina RAZAFIMAHEFA ary ireo teknisianina avy amin'ny Ministeran'ny Asa Vaventy manao ny études sy ny fanaraha-maso amin'ity lalana vaovao nosokafana ity.
Nisy moa ny omby natolotry ny Filoha mba ho mariky ny fanombohana ny asa sy ho nofon-kena mitahim-pihavanana nozaraina ho an'ny fokonolona.
Natomboky ny Faritra Analamanga androany 24 jolay 2023 àry ny asa fanamboarana izany lalana izany, miainga avy eo Ambatofotsy mandalo any amin'ireo tanàna toa an'Andramasina- Anepoka- Alatsinainy Bakaro- Ambohimiadana.
Ankasitrahana feno ny fiaraha-misala avy amin'ireto Ministera manaraka ireto dia ny Ministeran'ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny vehivavy, Ministeran'ny Angovo sy ny Akoran'afo, Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr'andro ary ny Sekretariam-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana.
Tsy hadino ihany koa ny fisaorana ireo mpitatitra mpampiasa iny lalana iny amin'ny fiaraha-miasa.
Tsy honohono na fampanantenana poakaty ity fanamboaran-dalana ity satria efa eo Ambatofotsy avokoa ireo "engins" rehetra avy amin'ny Filoha Andry RAJOELINA hanatanterahana ny asa toy ny pelleteuse, tractopelle, niveleuse, chargeuse, ny camion citerne ary ny camion hanatanterahana ny asa.