Festival Foire Analamanga

Hotanterahina eny Mahamasina ny 20-21-22 septambra 2024
FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA.Nampahafantarina misimisy kokoa sy tamin’ny antsipirihany teny amin’ny Telma Madagascar Andraharo, ny 12 septambra 2024, ny hetsika “Foire et Festival Régional Analamanga” izay hatao ny 20 sy 21 ary 22 septambra 2024 ho avy izao eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Hetsika izay karakarain’ny Faritra Analamanga tarihin’ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka. 
Hosokafana amin’ny fomba ofisialy izany ny zoma 20 septambra maraina izay arahan’ny fampisehoana sy podium sahady ny tolakandro. Hanamarika ny hetsika koa ny “carnaval” lehibe hiainga eny Analakely amin’ny 2 ora tolakandro hamonjy ny kianja Barea Mahamasina ny sabotsy 21 septambra. Hisy fampisehoana goavana hiarahana amin’ny mpanakanto maro aorian’io, ary hofaranana amin’ny afomanga izany. Hisy tranoheva marobe hampirantiana sy hampahafantarana an’ireo distrika 13 mandrafitra ny Faritra Analamanga sy ireo fitaleavam-paritra maro samihafa eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina mandritra ireo 3 andro ireo. Maimaimpoana avokoa izany rehetra izany.
“Analamanga tsy maintsy mandroso”.