FANOKAFANA NY " Foire & Festival Région Analamanga " 20.09.2024
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ary haharitra 3 andro ny hetsika « Foire & Festival Analamanga » izay karakarain'ny Faritra Analamanga eto amin’ny Kianja Barea Mahamasina.
Mankasitraka ireo rehetra nanotrona ary manasa antsika hitsidika ireo trano heva maro fa tolotra isan-karazany no hita eny an-toerana
Tsara ho fantatra fa TSY MISY VIDIM-PIDIRANA ny hetsika, koa tongava maro.
Analamanga tsy maintsy mandroso!