Tanimbary 300 Ha hahazo rano ara-potoana.
Notanterahina ny 01 oktobra 2024 ny fitokanana ny tohodrano sy lakan-drano mirefy 2800M tao amin'ny Fokontany Maharidaza, Kaominina Ambolotarakely, Distriktan'Ankazobe, izay fiaraha-miasa miaraka amin'ny PNUD ho fanatsarana ny lemaka Maharidaza.
Raha tsiahivina dia miandry rotsak'orana ny mponina ety an-toerana vao afaka manondraka ny tanimbary sy ny tanimboly. Noho ny fisian'ity tohodrano ity dia afaka mamokatra in-droa isan-taona ny tantsaha satria tanimbary 300Ha no hotondrahina.
Araka izany dia hisy fiantraikany mivantana amin'ny fiainan'ny mponina ny fisian'ny tohodrano satria tokantrano maherin'ny 250 no hahazo tombony amin'izany.
Ny Faritra Analamanga dia maneho fisaorana ireo tompon'antoka rehetra nahafahana nanatanteraka izao fotodrafitr'asa izao, indrindra ny PNUD izay namatsy vola mitentina 102 000 daolara ny tetikasa.
Analamanga tsy maintsy mandroso.