𝐌𝐀𝐍𝐎𝐌𝐁𝐎𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐎𝐀𝐑𝐀𝐍-𝐃𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐑𝐈𝐕𝐎 𝐑𝐄𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 30.09.2024
Taorian’ny toromarika manokan’ny Filoham- pirenena ho fanatsarana ny tananan’Antananarivo dia nanomboka ny halina teo, 30 septambra hifoha 01 oktobra 2024, ny asa fanarenana ireo ampahan-dalana maro eto Antananarivo Renivohitra izay iarahan'ny Ministeran'ny Asa Vaventy sy ny Faritra Analamanga ary ny CUA.
Ampahan-dalana manodidina ny 20 izay tena mampikaikaika ireo mponina noho ny fahasimbany sy ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Fitaovana sy fiarabe maro no hahetsika amin’ny fanatanterahana ny asa fanamboarana.
Noho izany asa fanamboaran-dalana izany dia misy ny fahatapahan-dalana sy ny fiovan'ny lalana koa dia ialana tsiny noho ny fanelingelena aterak'izany.
Analamanga tsy maintsy mandroso.