Mihatra mandritra ny 15 andro ny fahamehana ara-pahasalamana.
Mikatona mandritra ny 15 andro ny sekoly rehetra sy ny Oniversite
manerana ny Nosy.
Mitohy kosa ny fanatanterahana ny digitalisation eo anivon’ireo
Oniversitem-panjakana amin’ny fandoavana ny vatsim-pianarana.
Mikatona mandritra ny 15 andro ny faritra ANALAMANGA,
ATSINANANA, DIANA, BOENY, SAVA, NOSY BE
Couvre feu : manomboka amin’ny 9 ora alina hatramin’ny 4 ora
maraina
Misokatra andro aman’alina ireo Farmasia rehetra amin’ireo faritra
ireo mba hisorohana ny filaharam-be amin’ny fividianana fanafody
Omena fahazoan-dalana manokana hivarotra ireo fanafody voarak-
itra ao anaty "Protocole de traitement Covid-19" ireo toeram-pi-
varotana fanafody rehetra
Maimaim-poana ny fanafody hitsaboana ny Covid-19 eny amin’ireo
toeram-pitsaboana ara-panjakana rehetra : CHU, CHRR, CHRD,
CTC, CSB manerana ny Nosy
Ny CSB no mandray ireo "formes légères"
Ny CTC-19 (Ivato, Mahamasina,Village Voara) no mandray ireo
"formes modérées"
Ny hopitaly lehibe no mandray ny "formes graves"
Hisokatra amin’ny alarobia 7 Aprily izao ny CTC-19 eny Alarobia
Antananarivo handray an-tanana ireo marary eto Antananarivo
Omena bouteilles d’oxygènes miisa 800 ireo hopitaly manerana ny
Nosy
Vaksiny 2 no mahafeno ny fepetra araka ny fandinihana izay
nataon’ny teo anivon’ny Académie de Médecine ka hiroso amin’ny
fandraisana anjara amin’ny Programa COVAX i Madagasikara.
Ireo mpiasan’ny fahasalamana, ny mpitandro ny filaminana ary ireo
zokiolona no hisitraka izany voalohany. Marihina fa tsy an-tery anefa
izany.
Mitohy ny asa ho an’ny sehatra tsy miankina sy ny mpiasam-pan-
jakana
Mikasika ny toeram-pisakafoana, ny antsasaky ny fahafahana
mandray mpanjifa ihany no tokony ampiasaina
Ny bar, ny karaoke, ny toerana fanaovana alim-pandihizana sy ny
fanaovana lanonana dia mikatona avokoa
Tsy azo andrasana ny olona lavon’ny Covid, tanterahana ny
androtry ny nahafatesany ihany ny fandevenana, tsy mahazo
mihoatra ny 10 ireo mandevina
Mikatona ny zotra nasionaly mivoaka sy miditra ny faritra
ANALAMANGA, ATSINANANA, BOENY, SAVA, DIANA, NOSY BE
Omena alalana hody kosa ireo olona tavela any amin’ireo faritra ka
tsy maintsy mampiseho ny kara-panondro sy ny adiresy mazava
hodian’izy ireo
Mila fitandremana manokana ireo fiara fitanteram-bahoaka, tsy ma-
hazo atao ny mampiasa seza volamena ary tsy maintsy rarahana
fanafody isan’andro ny fiara
Malalaka ny fitanteran’entana sy vokatra manerana ny Nosy
Apetraka amin’ireo mpitondra fivavahana ny fanarahana ireo fepe-tra
ho an’ny mpivavaka, tsy mahazo atao mihoatra ny 100 ny olona
mivavaka
Voarara ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 100
Tsy azo asiana mpijery ireo fifaninana ara-panatanjahantena
rehetra
Voasazy hanao asa iombonana ireo rehetra tratra tsy manaja ireo
fepetra fototra
Tsy mbola misy ny confinement mandritra ireo 15 andro ireo.
FAMINTINANAN NY KABARY NATAON’NY FILOHAANDRY RAJOELINATAO AMIN’NY TVM ny 03 AVRIL 2021DIDIM-PANJAKANA